Misy karazany roa ny valala nokilasina ho fanetriben’ny firenena eto Madagasikara, dia ny:

  • Valala tompon-tany na valala vao
  • Valala mena elatra (antsoina ihany koa hoe Gadondoha, Bekapaky, Gapanga, Kapanga, Dara mena, Tara mena, Gamena, Kimendry na Mendry)
    NY TOETRANY:
    Manana toetra telo ny valala fanetribe:
    – Toetra mandeha irery (solitaire)
    – Toetra manelanelana (transiens)
    – Toetra mandeha andiany (grégaire)
    Mandalo ambaratonga telo lehibe ihany koa ny valala fanetribe: Atody – Kijeja – valala manan’elitra na renim-balala. Ny antsoina hoe renim-balala dia valala lahy na vavy afaka manao firaisana.

Antsoina hoe fanetribe izy ireo satria manana toetra miovova arakaraky ny hakitroka(densité) sady afaka mitangorona ary mivadika ho andiany maro sady matevina ary koa manilba sy mamotika voly hatramin’ny hektara maro. Telo karazany ny toetra mety hananan’ny valala fanetribe: mandeha irey (solitaire), anelanelany (transiens), ary koa maneha andiany (grégaire). Mandalo ambaratonga telo ny valala fanetribe: atody, kijeja, valala manan’elatra (renimbalala). Ny antsoina hoe renim-balala dia valala lahy na vavy afaka manidina sy afaka manao firaisana.

1/Ny valala vao na valala tompon-tany:

Any amin’ny faritra  atsimo sy atsimo andrefan’ny Madagasikara no tena ahitana ny valala vao sy mampirongatra azy, any ihany koa no misy faritra fanatodizany sy fitomboany (aire grégarigène). Misy ambaratonga 6 raha mandeha irery ny valala vao ary ambaratonga 5 raha mandeha andiany. Ny halavany sy ny lokony no  mampiavaka ireo dingana ireo. Mirefy 38-44 mm ny halavan’ny valala vao lahy ary 36-54 mm ny valala vao vavy. Miloko manara-bolo-tany izy raha mandeha irery, ary somary manopy mavo izy raha mandeha andiany. Amin’ny alina no manidina sy mifindra toerana ny valala vao mandeha irery, ary amin’ny atoandro kosa raha manana toetra mandeha andiany. Ny karazana fataka sy bozaka toy ny vary, katsaka, varim-bazaha, fary… no sakafony

Ny atody: manatody 60 ka hatramin’ny 120 ny valala vao iray, 12 ka hatramin’ny 45 andro ny fotoana fikotrehany, afaka manatody in-3 na in-4 ny renim-balala iray

Ny kijeja: misy ambaratonga 5 ny kijeja mandeha irery,  ary ambaratonga 6 raha mandeha andiany. Afaka 37 ka hatramin’ny 53 andro izy dia lasa renim-balala.
NY TSINGERIM-PIAINAN’NY VALALA VAO

2/Ny valala mena elatra:

Manaranaka indray mandeha isan-taona ny valala mena elatra, mampiato ny fivoarany izy rehefa maitany. Somary lehibebe kokoa nohon’ny valala vao izy (7cm). Ny lokony dia volotany somary manopy mena, misy tsipika midina ny ati-masony ary misy tsipika fotsy mitohy hatrany antampon-dohany ka hatrany amin’ny lamosiny. Tsy mifidy hanin-kohanina ary mankatia hazo ny valala mena elatra. Manomboka amin’ny volana novambra ka hatramin’ny volana febroary ny fanatodizany; 24 ka hatramin’ny 28 andro ny fotoana fikotrehany. Roa volana eo ho eo ny ijanonany ho kijeja ary dia lasa arielatra izy.

Ny atody: 80 ka hatramin’ny 150 ny isany. Afaka manatody in-3 na in-4 isaky ny 10 andro

Ny Kijeja: manana ambaratonga 6 ka hatramin’ny 7 ka ambaratonga 6  kosa raha mandeha andiany ary ambaratonga 7 raha mandeha irery. 12 ka hatramin’ny 14 volana no fe-potoany ivelomany.
NY TSINGERIM-PIAINAN’NY VALALA MENA ELATRA

IREO DINGANA ARAHINA AMIN’NY FAMONOANA VALALA
Misy sehatr’asa telo lehibe sady mifampiankina ny famonoam-balala:
– Fitiliana sy fanairana
– Fandarofana
– Fampitaovana
FITILIANA SY FANAIRANA: Misy tranga maromaro no ahafantarana ny fisian’ny valala, alohan’ny anaovana ny fitiliana:
-ny fandrefesana ny rotsak’orana
-ny famantarana ny toe-tany sy ny zava-maniry
-ny fiovan-toetran’ny valala
Rehefa voamarina sy mahafeno ireo tranga ireo dia atao ny fitiliana fa ahiana ny fisian’ny valala amin’ny toerana iray.

FANDAROFANA: ny fandarofana no ivon’ny asa famonoam-balala. Rehefa voamarina ny fisian’ny valala amin’ny toerana iray araka fepetra voalaza etsy ambony, dia afaka atao ny fandarofana.
Raha latsaky ny 10ha ny faritra rakotra valala, dia ireo vondron’olona any amin’ny fokontany VOI-MV (Vondron’olona Ifotony miady amin’ny valala) no mandray anjara amin’ny famonoana azy.
Raha 10ha ka hatramin’ny 100ha diany tompon’andraikitra ao amin’ny Poste (Responsable Poste Antiacridien) ao amin’ny IFVM no mamono azy.
Raha 100ha ka hatramin’ny 1000ha, dia ny tompon’andraikitra ao amin’ny faritra (Chef e Zone Antiacridienne) no mamono  azy.
Raha 1000ha ka hatramin’ny 10 000ha, dia ny lehiben’ny mpandaroka (Chef Service Intervention Acridienne) no mandaray an-tanana azy.
Raha mihoatra ny 100 000ha kosa dia famonoana amin’ny alalan’ny fiara manidina no atao, izay ny Tale Teknika no mandrindra azy.

FAMPITAOVANA: Tsy tontosa ireo sehatr’asa roa etsy ambony raha tsy misy ny fitaovana. Ny sehatr’asa fampitaovana no mamatsy ny fitaovana rehetra mifanandrify amin’izaly ilaina, toy ny fanafody, fitaovana fandarofana, ny fiara, ny fitaovana fiarovana,ary fanamboarana sy ny fikojakojana ireo fitaovana rehetra ireo.